Malagasy aho, Malagasy ianao, Malagasy izy. Malagasy no iantsoan'ny olona antsika. Satria ve samy zanaky ny Nosy Madagasikara isika ?
Raha vao maheno ny hoe Malagasy dia maro ny zavatra tonga ao antsaina :
Ny tontolo iainan'ny Malagasy, toy ny zava-maniry sy ireo biby izay tsy misy any amin’ny toeran-kafa.
Ny kolontsaina malagasy, ny taozavatra, ny zavakanto toy ny gadonkira, ny dihy, ny hosodoko iangalian’ireo mpanankato tsy mahalatsadanja antsika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Ny vakoka, ny fomba fitafy, ny hanin-kohanina dia ny vary izany. Ny taotrano isam-paritra izay maneho ny fomba fonenan'ny Malagasy: Tranogasy sy ny sisa.
Tsy ny zavatra hita maso ihany anefa no mampiavaka ny Malagasy fa indrindra ny fisainana amam-panahy sy ny fomba enti-miaina : Ny fahendrena sy ny fihavanana no voalohany manentana ny fon'ny Malagasy, soatoavina miainga avy amin’ilay filozofia malagasy lalina
dia lalina hoe : « Ny Fanahy no Olona ».
Hoy izy hoe : « Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana ». « Ataovy toy ny fihavana-molotra sy tanana, raha maharary ny molotra manafosafo ny tanana, raha may
ny tanana mitsoka ny vava ».
Amin'ny Malagasy dia iray ain-drazana izy ka tsy azo sarahina. Tapaka ny tohiaina raha tapaka ny maha iray azy. Ny fahendrena malagasy dia ny fiarovana io tohiaina io, izay iraisan'ny Malagasy rehetra.
Tsapa fa ny fitambarana amin'ny alalan'ny tohiaina iray sy ny fahendrena no anisan'ny fototra ijoron'ny maha Malagasy.
Ny Teny, izay tambatra iraisan'ny Malagasy dia marika lehibe ijoroan’ny firenena, izay anehoany ny maha izy sy ny maha izay azy. Hoy ilay masoivohon’i Eoropa tany Madagasikara tamin’ny
fankalazana ny andron’i Eoropa tamin'ny taona 2008 hoe : « Tiako homarihina fa mahafinaritra ery ny mandre ny Teny malagasy.
Manintona anay ny fiteninareo satria mirakitra ny kolontsaina, sy ny tantaran’ ny firenena malagasy. Tombontsoa ho anareo ny fananana azy satria mampiray anareo ka ahafahanareo mifanerasera sy mifanakalo hevitra ».
Fa tambatra iraisan’ny Malagasy indrindra koa ny finoana ny Zanahary sy ny Razana izay noheveriny fa nahary sy mitahy antsika. « Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra an-tampon’ny loha » sy ny hoe : « Tonga tsy nampoizina toa nasesiky ny Razana ».
Raha fintinina, ny maha Malagasy dia : firaisana aina, fahendrena, tambatra amin’ny fomba amam-panao, amin’ny teny, amin’ny finoana ary ny fiaraha-monina.
Koa mijoroa Ramalagasy hitahiry sy hanandratra avo ireo fototry ny Soatoavina izay lova napetraky ny razantsika.
KOLO Jiona 2010










1 Ambarao ny hevitrao:
Ny teny hoe : ZANAHARY SY ANDRIANANAHARY
Miarhaba e !
Amin'ny maha olon-tsotra ahy, fa tsy mba Professeur toa an'Atoa Pr LUPO namoaka fanazavana ao amin'ny Tranokala HAISORATRA MALAGASY,momba ireo teny roa ireo, dia manolotra anareo ny mba fahitako azy aho, ho entina hanazavana ireo teny roa ireo. .
Raha ny hevitro ! ny teny hoe Zanahary, dia midika hoe : "LE" CREATEUR
Gaga sy talanjona ihany aho namaky fa ny dikan'ny hoe "Hary" dia "soleil". Izaho koa angamba no tsy mba manaraka ny fihovàn'ny teny malagasy Neutral
Mizara fototeny roa ny teny hoe Zanahary amiko ! Ny "Zana" (Zanak'i na terak'i)dia manondro olona tsy fantatra, na terak'olona tsy fantatra izay TSY HAY FANTARINA
Ny faharoa kosa dia fototeny enti-milaza ny zavatra vitany sy hita . Ohatra ZAVA-BOAHARY.
Ilay teny "Zanahary" izany dia milaza ilay olona TSY HAY FANTARINA nanao ny zava-boahary.
Ny vokatr'izany dia midika tsotra hoe "LE" CREATEUR , amiko, ny teny hoe "ZANAHARY", ary tsy mikasika velively ny masoandro.
NY HOE ANDRIANANAHARYdia toraka izany ihany koa, saingy eto kosa dia ANDRIANINA, omena ny voninahitra amin'ny maha- ambony azy, manam-boninahitra sy hajaina, avy amin'ny alalan'ny teny hoe Andriana. Ka io antsoina hoe "Andriana" io izany no NAHARY, na hoe nanao izao tontolo izao.
"ANDRIANA-NAHARY" heveriko fa miteny ho azy izany fototeny roa izany !
Mety ho diso ihany aho na izany aza, anefa, manahirana ny saina ihany ny fanazavàna voavaky tao amin'ilay Tranonkala, Tranonkala izay tena mahaliana ahy tokoa.
Raha misy Malagasy mba afaka manazava ny momba an'io ,dia ho faly tanteraka aho.
Ary misaotra dieny mialoha.
Nalaina tao amin'ny Forum Fanevanoo.
Enregistrer un commentaire