jeudi 5 janvier 2012

ARAHABA TRATRY NY TAONA 2012


Fanintelony izao no itondrako ny fiarahabana sy ny firarian-tsoa avy amin’ny fikambanana KOLO . « ARAHABA TRATRY NY TAONA VAOVAO ! ».

Teny firarian-tsoa tsy misy hambahamba izay noheveriko hatrany fa mifono hasina no atolotro anao.

Ny taona 2012 dia mifanandrify amin’ny fahafolo taonan’ny fikambanana KOLO. Taona izay hatokanay Hitiavana ny teny malagasy sy ny tanindrazana.

Hataonay hanentanana ny fitiavana ny teny malagasy sy ny fiarovana ny kolontsaina.

Tiavo ny tenindrazantsika, arovy ny tsiaron’ireo olomanga malagasy mpanoratra sy poety : JJ Rabearivelo, Ny Avana Ramanantoanina, Jean Verdi Salomon Razakandrainy (DOX), Edmond Randriamananjara (Randza Zanamihoatra), Jasmina Ratsimiseta, Alphonse Ravoajanahary, Jean Narivony, Samuel Ratany, Georges Andriamanantena (Rado) …

Tokony ho anton’ny maha-Malagasy sy reharehantsika miaraka ny fampiasana sy ny fitianavana ny tenintsika.

Tsapanay fa tsy mora ny manatanteraka izany raha tsy misy ny fandraisanareo rehetra anjara.

Raha ny teny malagasy no tsy misy tavela intsony dia ny maha –Malagasy antsika no fongotra tanteraka eto an-tany.

« Tiavo ny teninao tahaka ny tenanao. Izay tia ny tenindrazany dia tia ny tanindrazany ».


Toa izao àry ny fotoananareo amin’ny KOLO amin’ity taona 2012 ity :

  • 24/05/2012 ka hatramin’ny 31/05/2012 : manasana anareo namana ao amin’ny facebook hiaraka hankalaza aminay ny andiany faharoan' ny “Herinandron’ny teny malagasy ao amin’ny facebook”. Raha sitrakareo dia hataontsika rehetra zanak’I Madagasikara aty andafy ho andiany voalohany amin'ny herinandron’ny teny malagasy aty ampitandranomasina io vaninandro io!

  • Paska : Faly mandray anareo any amin’ny RNS ny fikambanana kolo.

  • 16 jiona 2012 : Andiany faha-10 amin'ny fifaninanana soratononina.

  • Sy ireo hetsika izay mbola ho sahaninay hatramin’ny faran’ny taona.


Mirary taona vaovao 2012 sambatra ho antsika rehetra!

Avy amin’ny biraon’ ny fikambanana KOLO!

Mamy ANDRIANARIVONY


C’est la troisième fois que je me livre au même exercice : celui qui consiste à vous présenter les vœux de l’association KOLO. « BONNE ANNEE !».

Ce message annuel est pour moi rempli de sens et c'est toujours avec la même spontanéité que ces vœux vous sont adressés.

2012 coïncide avec le 10e anniversaire de l'association KOLO. Nous la plaçons sous le signe de l'Amour de notre langue et de notre Patrie.

Nous voulons la faire, pour notre action, l’année de mobilisation pour la sauvegarde de notre langue et la protection notre culture.

Aimons notre langue, sauvegardons la mémoire de nos grands écrivains et poètes : JJ Rabearivelo, Ny Avana Ramanantoanina, Jean Verdi Salomon Razakandrainy (DOX), Edmond Randriamananjara (Randza Zanamihoatra), Jasmina Ratsimiseta, Alphonse Ravoajanahary, Jean Narivony, Samuel Ratany, Georges Andriamanantena (Rado) …

Pratiquer le MALAGASY doit être pour nous un réel motif d’identité et de fierté collective.

Certes, c’est une action ambitieuse mais nous comptons sur la participation de tous.

Une langue qui disparaît c'est également une culture qui s'éteint à tout jamais de la surface de la terre.

« Tiavo ny teninao tahaka ny tenanao. Izay tia ny tenindrazany dia tia ny tanindrazany ».

Vos rendez-vous avec KOLO :

  • Du 24/05/2011 au 31/05/2011: Nous vous invitons à participer à la 2éme édition de la Semaine de la langue Malgache sur Facebook et peut-être notre première édition de la Semaine de la langue Malgache de tous les diasporas, si vous le voulez-vous bien !

  • Week-end de Pâques : KOLO participera à la Rencontre Nationale Sportive (RNS)

  • Le 16 Juin 2012: 10ème édition du concours de dictée Malagasy.

  • Et d’autres événements suivront jusqu’à la fin de cette année.


Belle année 2012 à tous!

De la part du bureau de l'association KOLO.

Mamy ANDRIANARIVONY